4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miomana ianao chérie - Erick Manana

Miomana ianao chérie fa ho avy aho e

Fa ho avy aho e

Ny fo feno fitiavana ô

Hangotrakotraka ity alina e

Ho tafaray indray ny tia sy manina ô

Dia hisy tambitamby ô

Hiampy safosafo e

Hifamihina ao anaty haizina ka ho salanitra e



Efa te-hisosa ’lay tônabilina

Te-ho eny an-danitra koa ny boeing

Te-hidola lay lamasinina

Hidola eo anilanao

Hiosana, hisonenika

Efa kobonao izany ka tsy afeniko e

Ny fanirina, ny hafaliana

Eo anilanao re ry Kalatiana

Tsy fanahiniana

Zany an !



Efa ela aky chérie niandrasako ô

Niandrasako ô

Ity andro iray ho anjarako ô

Hatrizay any aho ka niaritra e

Nangetaheta mafy anao tsy tazana

F’anio kosa indray e

Ho avela ho may izay ho may e

Efa ela no nifampitady ka aleo hitobaka e



Hmm ! Vonoy aloha io famantaranandronao io ka !

  (k’aleo hitobaka e)

Maneno eo indray io marina e !

  (k’aleo hitobaka e)

Partager miomana ianao chérie

Commenter miomana ianao chérie

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite